F'iny aho no lasa (Ndrina Zopanage)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Leo ny fiainana aho ka handeha,
Ndeha hitady zava-baovao
Aza manontany ahy ianao f'inona no anton'
Izao rehetra izao
F'iny aho no lasa
F'iny aho no lasa

Ka angamba any ho any misy ho antenaina
Lanitra sy olom-baovao
Ny olana dia tsy ilaina, hiova aho
Ka tsy hitalaho
F'iny aho no lasa
F'iny aho no lasa

Hitsiky aho no ataoko an-doha
Fa tsisy hahazo ahy intsony
Fa efa nilefa ny tahotro taloha
F'iny aho no lasa
F'iny aho no lasa
F'iny aho no lasa

Hiatrika, handeha hitraka
Hitady zay mety mahasoa
Tanjaka no hatao fitafy
Ny saina vonona tokoa
F'iny aho no lasa
F'iny aho no lasa
F'iny aho no lasa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ndrina Zopanage
Vangy : 1876
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 03/11/2017 14:08
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118