Tiana (Ndondolah sy Lucia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
N: Dia nitopy ny maso, dia nifampijery
Tsy maintsy niarahaba aho fa nifanakaiky teo izao sy ianao
Manao ahoana,inona no vaovao?
L: Dia namaly aho tsy misy, fa mahalala fomba
Lasa ihany ny saiko, iza marina, iza? no niarahaba amintsika
Sa kosa ve izy mahafantatra ahy?
Fa aleoko nitsiky tsy hananako tsiny
D: Hiresadresaka isika?
L: Tsapako avy any anaty f'ianao koa tsy maninona

Ref:
Tiana! no tiako hiantsoana an-dry
Na tsy anaranao aza!
F'izany no tiako, hanambara ilay fitiavana
Tiana! no tiako hiantsoana an-dry
Na tsy anaranao aza!
F'izany no tiako, hanamafy ilay fitiavana

N: Dia tsaroako aho nilaza,mbola tsisy olo-tiako
Sady namboraka izay faniriako aho
'lay fijerinao iny, toa milaza mangina
L: ok! tsy maninona
Dia tsy nifankafoy fa niaraka foana
Na mafy na ho mora dia tsy ho zava-poana
No niantsoana hoe: TIANA! satria izany no mahasambatra ahy
ka nanjary tantara ilay nihaonantsika
N: iomehezana sisa....
L: Fahatsiarovana iray rehefa taty aoriana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ndondolah sy Lucia
Vangy : 30977
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : winous
Daty : 30/05/2016 10:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733