Ianao Foana (Natoraly F.A.H)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
IANAO FOANA

Ref :     Ianao foana, ianao foana
No afaka anasitrana ireo
Ratra izay mikiky ao am-po
Ianao irery iany, ianao foana
Ianao foana, tsy misy mahasitra
Afatsy ny fitiavanao irery iany
Ianao irery iany

And1 :    Fa nitomany izy ny alina iny
Nisentosento irery tao anatiny
Aizim-pito tsy nisy nampangina
Tsy mba nisy nankahery fa mila
Anie izy hanasitrana ireo feriny
Tsy afaky ny hifamela ony ve tsy
Afaky ny hifandefitra ony ve fa
Samy ho entiny ambom-po dia
Hisaraka, hisaraka hitady afa indray
Ianao irery iany no mba tiany ny
Hafananao no tiany ho tafiny ka
Aza avela irery fa mila anao anie izy

Ref :     Ianao foana, ianao foana
No afaka anasitrana ireo
Ratra izay mikiky ao am-po
Ianao irery iany, ianao foana
Ianao foana, tsy misy mahasitra
Afatsy ny fitiavanao irery iany
Ianao irery iany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Natoraly F.A.H
Vangy : 162
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : menjatiana
Daty : 28/06/2024 11:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856