Ikala adala (Môta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nofenoin'i Zanahary zavatra maro tsara ny fiainan'ikala
Nomeny harena be dia be, nataony tsy dia ratsy tarehy
Fahendrena tsisy ohatra izany
Mimpirina avy hatrany rehefa misy tsy milamina
Tsy mba maditra na be revy
Sa ve matahotra ny ho bedy ?
Ho bedin'i dada sy i neny
Matahotra ny kapoka sa ny teny ?
Matahotra ny vava ratsy miainga avy any ?
Valio ny jiolahim-bavy saro-piaro izay manontany !
Ny feo ity efa farina
Satria nivoaka omaly alina
Lanin'ny toaka sy ny zavatra hafa ny hery
Ikala anefa ity matory, ary mitsiky irery

Manonofy, mandamina toa ny zazakely
Ny torimaso ohatran'ny hoe ambenan'anjely
Mitomany, malahelo ilay adala
Mba rahoviana izy no ohatrandry r’ikala ?
Manonofy, mandamina toa ny zazakely
Ny torimaso ohatran'ny hoe ambenan'anjely e
Malahelo ary mitomany aho, izaho ilay adala
Mba rahoviana aho no ohatran-dry r’ikala ?
Ohatran-dry r’ikala !

Tonony sy feony : Môta
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Môta
Vangy : 1947
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 17/07/2014 22:52
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2255