Fo roa (Môta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Metimety kokoa raha manam-po roa
Ho arý sy ho atsý
Tia ahy sy tia anao
Tsy hisy fitia kilalao
Fa manaiky izay nomenao ry Ray
Zay fo iray
Satria nomenao fanahy sy ati-doha
Nefa mitomany izahay
Satria be dia be ny otanay
Lay hadalana tsy hainay fafana izao avelao
Avelao, avelao, avelao, avelao.

Metimety kokoa raha voafehy lay fo
Satria mania
Mandeha etsy sy eroa
Lasa maivamaivana ilay loha
Raha ilay fanahy no resahinay
Mangina dia variana
Satria nareo mijaly
Izy avy no marary
Ka dia mitomany izahay
Satria be ireo fakam-panahy
Lay haratsiana indraindray entinay hifaliana
Nefa tsiniana

Ka dia fo iray no nomena anay
Aiza ilay fanindroany e
Omeo fo roa zahay mba hahafahanay
Mankarý mankatsý mba tsy hania
Omeo, omeo fo roa
Omeo, omeo, omeo
Lay haratsiana indraindray entinay hifaliana
Nefa tsiniana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Môta
Vangy : 2413
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/08/2014 08:19
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1277