Hiran'ny Fanantenana (Môta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hiainga isika ry fanantenana
Hiara-mandia ny vohon’ny tany
Ka na mora na sarotra hifampitantana
Hiara-mitsiky sy hiombo-tomany

Ry fanantenana, ry fanantenana
Ry ainga ianteheran’izay ory fo
Tohino ny foko, omeo hafanana
Fandrao mamanala raha misy manjo

Raha sendra ny alina izay maizim-pito
Raha tojo ny rahona be mitatao
Ny fanantenako ny foko tarito
Fa saro-tiavina izao tany izao

Raha toa ny kapoakako feno dia feno
Fa misy ny mamy toa volan-tantely
Ry fanantenana, ny foko ambarao
Fandrao dia sendraotra raha sambatra kely

Hiroso isika ry fanantenana
Hiara-mandia ny vohon’ny tany
Na mora na sarotra hifampitantana
Hiara-hitsiky sy hiombon-tomany


(Tononkalon'i Ny Avana Ramanantoanina)
--------
Rohy:
Hevitra
asylumefreder ( 21/05/2016 07:37)
Tsara be,mlay
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Môta
Vangy : 2433
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/07/2014 00:50
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133