Bisous Kely Aloha (Mr Sayda)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eto indray aho e! manoratra no an-dry
Hoe: 'za mbola tia dia nataoko poezia,
Be fahalemena satria olombelona e!
Fa mba henoy ny foko tsy mihatsaravelatsihy.

Zaho mbola nahatahiry ireo mamy fahiny,
'Lay fahatsorantsika roa nefa maro mpaniry,
'Reo souvenir-ntsika izay nitondra tsiky,
Ny endrikao sariaka an-tratrako eto mitampify.

Dia mbola nohiraiko satria koa nilaiko,
Ny fisianao tamin'ny fiainako toa hery mibaiko,
'Zay tsy mety hovaiko ary ho hatsaraiko,
Satria efa haiko fa ianao no silaky ny aiko.

Eny mamy tokoa ooooo
Isika roa,
Hiorenantsoa ooooo
Ao bisous kely aloha.

Ts'isy teny mahalaza na hivazavaza,
Tafiotra sy oram-baratra tsy hahavita handrava,
Fahasarotam-piaro, ireo adidy maro
Ho avadintsika angovo, hamoronantsika kalo e!

Dia mbola nohiraiko satria koa nilaiko,
Ny fisianao tamin'ny fiainako toa hery mibaiko,
'Zay tsy mety hovaiko ary ho hatsaraiko,
Satria efa haiko fa ianao no silaky ny aiko.

Eny mamy tokoa ooooo
Isika roa,
Hiorenantsoa ooooo
Ao bisous kely aloha.

Dia mbola nohiraiko satria koa nilaiko,
Ny fisianao tamin'ny fiainako toa hery mibaiko,
'Zay tsy mety hovaiko ary ho hatsaraiko,
Satria efa haiko fa ianao no silaky ny aiko.

Eny mamy tokoa ooooo
Isika roa,
Hiorenantsoa ooooo
Ao bisous kely aloha.

Eny mamy tokoa ooooo
Na indraindray ary mankarary an-doha,
Hiorenantsoa ooooo
Efa niteny aminao aho hoe: bisous kely aloha.
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 14/02/2024 08:59)
Efa ito
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda
Vangy : 525
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : litarazavar
Daty : 13/02/2024 09:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1598