Zaza Vangabao (Mr Sayda (Misié Sayda))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eny hoy aho eDia rava teo tokoa kay moa isika sy ianao ,
ny ambopo mahery ka tsy ankitalaho, dia tsy aiko aloha na hitanao na tsy hitanao ye,
fa nampalemy ny fahatokisako ny zavabitanao,
Sokona nianimbato ka tapidalana e,
tsisy bedy izay natao fa tampitiavana e, hiondrika aho dia hirary soa anao, raha toa ka hoe izay no ilainao,
indraindray zaza vangabao kely aho ka tsy mahatana,
fa te hivily sy hitsoriaka hamangy anao any an-tanana a,
indraindray zaza vangabao kely aho ka tsy mahatana,
fa te hivily sy hitsoriaka hamangy anao any an-tanana a,
Saingy fiadanana tsy hitanao taty aza atao trosa an,
sao sendra ilay Voay ianao ka mba marary ahy kosa,
be dia be izareo no andeha hanaratsy sy hifosa,
ny alahelonao no ilainy ho araraotiny ianao fa tsotra,
iny aho niantso an’i WADA hoe andeha hisotrosotro,
foko kely nalahelo ka nifokofoko,
ny ratsantanako te hiantso anao antsokosoko,
nisotro aho dia nisotro nifoka dia nifoka oh oh,
Ianao andeha ho any, lasan’olona any,
trano Tantely ilay fitia ka lany mamy,
ho lavitry ny maso no tsy azo atao andraso,
tonga fahavaratra ka maty teo ilay Afo,
indraindray zaza vangabao kely aho ka tsy mahatana,
fa te hivily sy hitsoriaka hamangy anao any an-tanana a
indraindray zaza vangabao kely aho ka tsy mahatana,
fa te hivily sy hitsoriaka hamangy anao any an-tanana a
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)Vangy : 37
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 25/04/2026 13:32
