Veloma (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Verse 1:
Mbola ho tadidinao aho rehefa ho avy ilay andro iray
Hijalijaly avy any ianao vao hiteny hoe takizay
Kay lery iny bandy milay fa zah mintsy no masay
De very aho oee! de ohainina eo ianao eh! otse!!

Hanembonembona ahy ianao rehefa mandalo eny an_tanàna
Tsy ho tantanako intsony ianao de kôtin 'ireo bandy akama
Amin'izay ianao manimanina ny tongolo tany Egipta , fatara loatra

Bridge:
Fa na misy an'izany na tsisy an'izany aza mitomany eh!
Zah aty efa faly satria koa ny fiainako mitohy ihany eh!
Antenaiko fa faly koa ianao ,efa nahita olom_baovao nasolo ah eh! nasolo ah oh!

Chorus:
Veloma, bey bey eh!
Veloma, bey bey eh!
Veloma, bey bey eh!
Bey bey eh! veloma oh! oela veloma eh! oh! oh! veloma oh!
oela veloma eh!

Verse 1:
Hanembonembona ahy ianao rehefa mba mila tsikitsiky
Handefa radio ianao dia hisy angataka ny hirantsika
Ilay nandihizana tany Itasy eh!
Indray krismasy eh! andro fahavaratr'eh! tadidinao eehh!

Mbola ho tadidinao aho rehefa eny ambonina Posiposy
Ôtran'izao izahay roa taloha rehefa miara_mitouchetouche
Bisoux tsisy cache_bouche
Mira Fianara katrany Ihosy,hoay zany souveniranay eehh!

Bridge:
Fa na misy an'izany na tsisy an'izany aza mitomany eh!
Zah aty efa faly satria koa ny fiainako mitohy ihany eh!
Antenaiko fa faly koa ianao efa nahita olom_baovao nasolo ah eh! nasolo ah oohh!

Chorus:
Veloma,bey bey eh!
Veloma,bey bey eh!
Veloma, bey bey eh!
Bey bey eh! veloma oh oela veloma oh! oh! oh! veloma oh! veloma eh!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 3472
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : tsitokelyko
Daty : 18/10/2020 14:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4991