Tsisy Pitié (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izy hitanao hoe mijery olo ô, marary aminao
Izy hitanao hoe mitantana olo ô, marary aminao
Nandeha ny volana, nandeha ny taona, niandry azy foana ianao
Izy tsy ho avy e f'any an-kafa, aretim-po ny anao

Ahitana raha rehefa hoe ilay fitiavana, izay no misarika anao
Sacrifice avao izy io namako, izao mampitandrina anao
Fa na mangidy aza dia sotroiny, na marary aza hiafiany
Tena maradratra mihintsy ilay fony, hampasambatsabatra an'ilay tiany

Efa pitié ve ? aoka aloha
Tena mifona fa tsy vitako
Fitia tsy hifamaly tsy efako
Impossible, tsy hiaretako
Fitia tsy hifanaovana ankisisika e
Efa tsy tiana mbola mi-insiste e
Ny anaranao aza tsy anaty liste e
Dia mbola hi'dribble eo ianao

Fitia e ! Fitia e ! Tsisy resaka Pitié
Fitia e ! Fitia e ! Fa tsy resaka Pitié
Fitia e ! Fitia e ! Tsisy resaka Pitié
Fitia e ! Fitia e ! Fa tsy resaka Pitié

Rehefa mody ao antrano lasa mitaraina, mitomany mifokofoko ô (ntsooo)
Marary aho ry dada, marary aho ry mama fa nampijaliany ny foko ô (hehe)
Anakarany kitana hono aho hoe, tsara vintana hono aho hoe
Raha vao iny aho nitsaingoka fitana dia (hanh) .. lasa izy nandeha

Efa pitié ve ? aoka aloha
Faux espoir mankarary fo
Mifintina isan'andro ny takolako
Impossible, tsy hiaretako
Fitia tsy hifanaovana ankisisika e
Efa tsy tiana mbola mi'insiste e
Ny anaranao aza tsy anaty liste e
Mialà fa zero pourcent

Fitia e ! Fitia e ! Tsisy resaka Pitié
Fitia e ! Fitia e ! Fa tsy resaka Pitié
Fitia e ! Fitia e ! Tsisy resaka Pitié
Fitia e ! Fitia e ! Fa tsy resaka Pitié
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 4824
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : HenintsoaRandrim
Daty : 07/04/2019 11:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6439