Tombon-dalana (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mafy izany fa tsy maintsy atrehina e
Aleo hoa ilay mandeha toa izay ilay ilaozana e
Na dia mangidy tsy maintsy andramana
na tsy mahafoy anao aho dia tsy maintsy hisaraka
Efa izay ilay lahatra napetraky ny any ambony any e
Na rivotra mandalo dia efa mampitomany
Ohatry ny hoe bitsibitsikao e
Mahatsiaro ireo natao,
Ho atolotro anao anie izao hirahira izao yeah

Vovoka mbola hody vovoka indray
Raha vao nanomboka ianao dia efa izay
Mpandalo miserana tety an-tany
na satry aza hiaraka mandrakizay
Nateraka olona ianao ankehitriny
Nefa inoako fa vorona ianao
Manidina anivon'ny kintana ambony
eo akaikin'ilay Ray namorona anao

Ianao toa ny andro maraina nirotsaka e
Masoandronay mbola miposaka e
Tanora efa nahafeno fiainana
Nihazakazaka nalaky potraka e
Malahelo aho mahita ireo sary be dia be
Tsy mino ny saiko fa ianao efa nandeha
any ambony any, any ambony any.
Moa ve mahatazana ny ety ambany

Babangoana ny kianja, mangina ny trano,
ny masoko sisa no manganohano.
Androtsahy ranon'orana ho ataoko solon'ilay safonao
rehefa iny aho mahatsiaro
Tongava any anatin'ny nofiko aza e
Hiresadresaka farany
satria ny vavako mbola te hilaza e,
Hoe soa ny fiarahana e,

Nandao ianao fa efa tsy namanay intsony
Nanampy ny isan'ireo kintana eny ambony
Fa tombon-dalana ny azy
Tombon-dalana ny azy e, mandia am-piadanana ianao

Namana elah tena namana leisy
Solondrahalahy tsy nananana eny
Na betsaka ny ady sy ireo vava tsy ambina tsy nifanary iray lalana leisy
Niara-nanoratra 16 mesures teo ambony insta toopaksha cour.
Ankehitriny aho mahita ny soratr'ialahy ato antsaiko
ka mila tsy hahitako tory e
adolantsento feno fanirina
manofinofy rehefa any aoriana
mba lasa kintana ny rahl e

Rehefa malaza dia miakatra am-paly e,
Androany nandray coupe aho leisy
Nahatsiaro an'ialahy dia nanao kopile tam'izany e
Alefaso Sayda hozy elah, androany an hotolorako ny aingam-panahy elah.

Mafy izany fa tsy maintsy atrehana e
Aleo ho'aho ilay mandeha toa izay ilay ilaozana e,
Na dia mangidy tsy maintsy andramana,
Na tsy mahafoy anao aho dia tsy maintsy hisaraka
Efa izay ilay lahatra napetraky ny any ambony any e
Na rivotra mandalo dia efa mampitomany

Ohatry ny hoe hibitsibitsika aho e,
Mahatsiaro ireo natao e,
ho atolotro anao anie izao hirahira izao yeah

Yeah, atolotro ho an'ireo efa nialoha lalana
efa lasa nandao anay
Ireo anabavy, ireo rahalahy, ireo namana, ireo havana.
Ireo ray aman-dreny
Aza manadino anay ety ambany fa izahay mijery any ambony foana.

Fa ny anazy tombon-dalana, ny azy kay tombondalana ihany.
Ouhh ouhh

Dia mba mandria am-piadanana, mandria am-piadanana
Oh oh

Nandao ianao fa efa tsy namanay intsony,
Nanampy ny isan'ireo kintana eny ambony,
Fa tombon-dalana ny azy, tombon-dalana ny azy
Mandria am-piadanana ho'aho ahhh
ouuu yeah
Mandria am-piadanana ho'aho

Nandika hery serasera :-) teto ho fahatsiarovana an'i Sefo Nonoh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 1313
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 16/05/2020 10:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733