Sipan'ny Marim (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa zany moa no ahatsiarovako anao mbola kely
Mpianatry ry masera noheveriko hoe anjely
Azafady mahatsiaro fa mbola mahatadidy
Tsy nanan-tsiny ianao fa zah no adala nangidihidy

Indry mihitsy ry sipakely no nanaovako hira
Ho solon’lay soratana amin’ny cahier de souvenir
Ahatsiarovanao anah amin’izao fa ‘lay taloha
Ilay bandy mpiara-mianatra nikoty anao voaloha

Fa indry mihitsy ry sipakely no nahatonga ny hira
Sora-malaza any aoriana mba ho asianao sira
Ahatsiarovanao ny lasa tsy mba fanadino
Diniho ireo souvenirantsika, raiso dia ampirimo

Ahatsiarovako anao mbola kely
Mpianatry ry masera noheveriko hoe anjely
Azafady mahatsiaro fa mbola mahatadidy
Tsy nanan-tsiny ianao fa zah no adala nangidihidy

Fa indry mihitsy ry sipakely no nahatonga ahy tara
Ny fitiavako anao taloha efa natao tantara
Zah tao amin’ny Masindahy, ianao Maria Manjaka
Tsy hoe nanao foana aho taloha na mety hoe tsy nahazaka

Indry mihitsy ry sipakely lay nahatonga ny ady
Tiako ianao ka tsy reveko hoe nadalain’ny bandy
Ahatsiarovako anao manao zipo velon-drirany
Lalimanga teny Andohalo ka tsy afaka nidirana

Yeah,
Dédicace ho an’ny sipakely rehetra rehetra taloha lay tena nambabo ny fon’ny bandy e
Misy efa madama, misy efa niteraka, misy mbola mifanena eny ihany e
Sipan’ny Saint A, Esca, Marim rehetra rehetra e
Tsisy hoe sipako voalohany na hoe sipako taloha na hoe sipako faharoa fa... na sipa akama ary e
Nilay be daholo e, sûr e, avy aty amin’i Miandravola e

Rehefa mandeha ilay fotoana, dia folo taona sahady
Hitako ianao tamin’ny maraina efa manambady
Nitsiky aho dia nahatsiaro kely somary nisento
Hay ho’aho efa dila lavitra ny adolantsento

Indry ange madamakely no nanaovako hira
Mba souveniranao zah fa tsy anatin’ny avenir
Lasa hoe madama ianao fa tsy lalimanga ‘ntsony
Fa reveko foana na ny zipo na ny ambony

Ambony be eee
Ambony be no misy anareo taloha
Teny Andohalo
Teto amin’ny tananan’ny inona moa
Ambony be, ambony be

Efa zany moa no ahatsiarovako anao mbola kely
Mpianatry ry masera noheveriko hoe anjely
Azafady mahatsiaro fa mbola mahatadidy
Tsy nanan-tsiny ianao fa zah no adala nangidihidy

Ehhh, mety mbola afaka hifanena indray isika afaka folo taona
Dia mety efa hitovy taona tamin’ny zah lay nirevy anao taloha lay boay kelinao e
Dia mety ho tadidinao amin’zay ny lasa taloha ireny e
Fa ity hira ity androany nosoratako hoe mba souvenir kely fotsiny
Zah tsy dia nanoratra tany anatin’i cahier de souvenir-nareo rehetra rehetra fa
Ity no mba nataoko dédicace kely
Amin’ny fo be mihitsy
Dia mahareta tokantrano dia maroroa taiza amin’izay ataonareo rehetra any
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 10055
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/09/2015 00:03
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129