Mpiara-dia (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola tadidiko ilay topimaso kely
Isika roa fony vao hoe nifampijery
Fa efa lavitra i Masina Misely
Sy ny fakandrivotra am'le tsy ankiteninteny

Toa efa ela, efa dila, efa takona, efa tsy hita
Asa raha tadidinao le hoe, masika aa..
Dia niandry valiny aho e
Fa te ho namanao o

Raha mbola mahay mifankatia ii
Dia isika roa no mpiaradia ii
Mandroso fa tsy miala e
O miala e o o o
Ka na miady aza sanatria ii
Efa fomban'ny mpiaradia ii
Mandroso fa tsy miala e
O miala e o o o

Tantara hono ka tantara
Misaotra anao za nifampizara
Tantara mamy na taty na tany Madagasikara
Ho ela velona samy tsara
Miaraka miditra miara-miala
Miara mibosy, miara mkandra,
Miaraka hendry dia miaraka adala

Ka misaotra ry mpiaradia o
Fa ny foko mbola mankafy o
Tsingeritaonantsika anio o
Ka indro hiraiko @ fo madio e

Raha mbola mahay mifankatia iii
Dia isika roa no mpiaradia ii
Mandroso fa tsy miala e
O miala e o o o
Ka na miady aza sanatria ii
Efa fomban'ny mpiaradia ii
Mandroso fa tsy miala e
O miala e o o o

Mba jereo kely, mba etsy ange e
Efa madama sy ramose e
Nifampitaiza, nifanabe e
Isika roa n'aiza n'aiza aleha e

Ka n'inoninona hitranga, N'inoninona hamaky ny loha
N'inoninona hiseho, n'inoninona handratra ny fo
Efa enao ihany sy ireo zanatsika roa
No mpiaradia sy miaradalana amiko

Raha mbola mahay mifankatia iii
Dia isika roa no mpiaradia ii
Mandroso fa tsy miala e
O miala e o o o
Ka na miady aza sanatria ii
Efa fomban'ny mpiaradia ii
Mandroso fa tsy miala e
O miala e o o o
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 619
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : Lacky
Daty : 07/07/2022 22:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0802