Manjakely (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Omeo... Omeo manjakely eee
Omeo... Omeo manjakely eee

Maninona ary zah no tsy mahazaka manjakely e
Fa efa zakan’lerony iny e
Fa lay mankimanky visy na koa makomakorely e
Efa nidiran’ny devoly iny e
Nefa iny ihany lesy no mba tia anahy
Nefa tsy fampiseho ny fianakaviana
Iny angamba tena mihevitra azy hoe Rihanna
Sady mi’speakpeak vazaha : Mais naaa
Izy angamba mihevi-tena any Paris
Madagasikara eto fa mbay tary
Teny Marais Masay ianao no naka sary
Dia hoe: Tu vois

Ref:
Tsy hahazaka sipa milay mihitsy aho ve
Na dia nangataka tamin’Yaveh
Hoe mba omeo... omeo manjakely
Ny zavatra hitako tamin'ny télé
Efa marobe izao no tsara tarehy
Fa lasanareo... anareo reny fa tsy anay e

Dia ny sasany rehefa maka sary
Ohatran’ny anjely latsaka an-tany
Fa mipetaka tsara ilay maquillage e
Ialahy tafalatsaka dia tia azy
Faty antoka lay fo nidobodoboka
Sipa tailana no toa nahatafajoboka
Tsy hoe le tsain no nanambaka
Fa ialahy no maikamaika
Aveo nanalandr'i takaka
Hoe elah no tena daika (Zama aaaa!!!)
Nefa jereo kely nge ny ankizin’zalah
Ohatran’ny artiste mihitsy e
Ny an'ialahy 'ty izy miseho miteny vazaha
Hira malaza kay no averiny amin'ialahy
Baby tu sais... je sais... Aiza kosa eee
Izy angamba mihevi-tena any Paris
Madagasikara eto fa mbay tary
Dia hoe: Tu vois

Ref:
Tsy hahazaka sipa milay mihitsy aho ve
Na dia nangataka tamin’Yaveh
Hoe mba omeo... omeo manjakely
Ny zavatra hitako tamin'ny télé
Efa marobe izao no tsara tarehy
Fa lasanareo... anareo reny fa tsy anay e

Vazivazy anefa iray an-dalana
Fa reveo zay anao e
Tsy ny tarehy no hitondra fiadanana
Fa lay ao am-pony ao e
Sendra vazovazo iny ranamana
Kalokalo ihany e... vazovazo ihany e
Omeo... Omeo manjakely eee
Omeo... Omeo manjakely eee
Omeo... Omeo manjakely eee
Omeo... Omeo manjakely eee

Ref:
Tsy hahazaka sipa milay mitsy aho ve
Na dia nangataka tamin’Yaveh
Hoe mba omeo... omeo manjakely
Ny zavatra hitako tamin'ny télé
Efa marobe izao no tsara tarehy
Fa lasanareo... anareo reny fa tsy anay e


Tonony : MISIE SAYDA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 11064
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 31/07/2018 14:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744