Isika roa (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jereo amin'ny masoko aho miresaka aminao tsisy lainga
Aza hadino izay nolazaiko fony isika roa niara niainga
Mety ho maro ny mpanaratsy sy ny mpanatsafa moa saingy hoe
Ianao efa nekeko ary tena reveko ka tsy amelako

Tsy avelako halahelo ianao iny na misy mampanahy
Tsy avelako hiady irery ianao iny satria efa anahy
Raha mbola vazo ny fiainantsika dia fenoiko aingampanahy
Ho hiraiko sy tantaraiko fa matokisa ianao ahy

Ref:
Izay hiainantsika roa ihany no isika roa
Aleo ireo mpanaratsy hitabataba harary an-doha
Izay hiainantsika roa ihany no isika roa
Aleo ireo mpankahala mba hihoalahoala harary fo

Tantarampiainako ianao ry Hantakely, Tianay sy Soamihanta
Ouh ô

Tsy quoi fa artiste dia zakaiko
Mozika milay ihany no zaraiko
Zay vavan'olombelona ve ilaiko
Tsika efa-mianaka ihany no hiraiko

Zay mikasika anao fantaro fa marary anahy
Antenaiko fa ianao iny koa tsy hanary anahy
Aleo handeha ny tafiotra mafy fa mbola tsy haharava
Maizin-kitroka ny andro ety fa rahampitso io hazava
Diso tia anao loatra aho ka tsy voalazako am-bava
Feno fanantenana aho matoa mbola miangavy


Ref:
Izay hiainantsika roa ihany no isika roa
Aleo ireo mpanaratsy hitabataba harary an-doha
Izay hiainantsika roa ihany no isika roa
Aleo ireo mpankahala mba hihoalahoala harary fo

Satria diso tia anao loatra aho
Ary ianareo telo mianaka no hery manosika ahy
Ianareo mpankafy no mbola hery manosika ahy hanohy ny mozikako
Alao ny fitiavana foana no hiraina
Dia ho ela velona ny fitiavana e

Tsy avelako halahelo ianao iny na misy mampanahy
Tsy avelako hiady irery ianao iny satria efa anah
Raha mbola vazo ny fiainantsika dia fenoiko aingampanahy
Ho hiraiko sy ho tantaraiko fa matokisa ianao ahy

Ref:
Izay hiainantsika roa ihany no isika roa
Aleo ireo mpanaratsy hitabataba harary an-doha
Izay hiainantsika roa ihany no isika roa
Aleo ireo mpankahala mba hihoalahoala harary fo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 1511
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 21/10/2021 21:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1138