Inspirako (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Malalako ny masoko vao mihitatra
Ka mahita an'ilay tsikinao mamiratra
Mazava ho azy tonga ny inspiraka
Dia ny anaranao no nataoko hirahirako
Ka ra henonao izy ito indray androany
Dia fantaro fa misy olona any ho any
Potika aminao e
Rava aminao e
Amin'azy ianao mihitsy no izao tontolo izao

Ka mba hoento manaraka anao
Fa tsy mahasaraka anao
Ka mba hoento manaraka anao
Fa tsy mahasaraka anao
Ohatran'ny zaza milalao vovoka irery aho
Raha toa ka manalavitra anao
Ny fidoboky ny foko no efa ho vitanao tsianjery
Fa midoboka manaraka ny anao
(Vita randrana amin'ny anao ny fiainako)
Ye ye yeee
Ye ye yeee
Ou oh ou oh ou oh

Tafita aminao ve oa ilay tononkirako
Sokafy ny fonao mba hidirako
Marina hoe mandalo ny fiainana
Anilanao izao no miadana
Miraraka ny foko efa mitempotempo be
De ny any anaty saiko efa mandrevirevy hoe
Tsy hitambarako amin'ny hafa ianao fa ho ana irery dia
Hifampizara fitiavana e
Ka rehefa tafaraka any isika indray andro any
Dia hoaveriko aminao izany hira izany
Ho atao solon'ny voady eny ambony alitara
Tsy nofinofy intsony fa tena tantara

Ka mba hoento manaraka anao
Fa tsy mahasaraka anao
Ka mba hoento manaraka anao
Fa tsy mahasaraka anao
Ohatran'ny zaza milalao vovoka irery aho
Raha toa ka manalavitra anao
Ny fidoboky ny foko no efa ho vitanao tsianjery
Fa midoboka manaraka ny anao
(Vita randrana amin'ny anao ny fiainako)
Ye ye yeee
Ou oh ou oh ou oh


Ka ra henonao izy ito indray androany
Dia fantaro fa misy olona any ho any
Potika aminao e
Rava aminao e
Amin'azy ianao mihitsy no izao tontolo izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 464
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : RashAmy17
Daty : 19/07/2023 01:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746