Ilay melodia (Mr Sayda (Misié Sayda))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa tsy afaka am-bavako ilay melodia,Lay hira iray tsy mba foinao
Ahatsiarovako antsika roa niara-nandihy
Indray hariva tao an-tranonao
Mahalasa saina, lasalasa lavitra
Mamelon’aina ny fofona ‘zay manitra
Tsy azoko isaina ny kintana eny an-danitra
Hotantaraina ka aleo mba ankamantatra
Fa hosorako tantely ny molotrao io
Fanomezana hafakely no natolotrao ahy
Fitiavana mahery tsy resin’ny ankamely
Tsy ilaina ny miteny
Nefa ry sipako, azafady isan’andro isika miady
Mifampitolona, mifamelona, mifamalona amin’ny roulade
Tsy hoe ny lahy no lohan’ny vavy na ny lahy no miseho favy
Fa ny vavy mahery fiavy ary tsy laitra mihitsy ny vavany
Fa na iza na iza e, tsisy hampisaraka antsika
Na ho aiza na ho aiza ary ianao,
Hiaraka handeha isika ho any
Na iza na iza e, tsisy hampisaraka antsika
Mahalasa saina, lasalasa lavitra
Mamelon’aina ny fofona 'zay manitra
Tsy azoko isaina ny kintana eny an-danitra
Hotantaraina ka aleo mba ankamantatra
Fa hosorako tantely ny molotrao io
Fanomezana hafakely no natolotrao ahy
Fitiavana mahery tsy resin’ny ankamely
Tsy ilaina ny miteny
Fa tsy afaka ato an-tsaiko, ato an-tsaiko ilay melodia
Tsy anatonako radoko ilay fitia na maladie
Na indraindray aza ny fiainantsika lasa parodie
Lasa sarimiaina tena izy rehefa miara-dia
Dia zah Titeuf, ianao Dora
Zah jamala, ianao sora
Hozy ny mpialona hoe
Tsisy miteny anareo hoe miaraha
Tsy afaka ato an-tsaiko, ato an-tsaiko ilay melodia
Tsy anatonako radoko tonga ilay fitia na maladie
Na indraindray aza ny fiainantsika lasa parodie
Sarimiaina tena izy y rehefa miara-dia
Dia zah Titeuf, ianao Dora
Zah jamala, ianao sora
Hozy ny mpialona hoe
Tsisy niteny anareo hoe miaraha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)Vangy : 2123
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 17/04/2019 10:37