Fitiavana Mahery (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maizikitroka ny alina fa mazava anilanao
Mangatsiaka ny ririna fa mafana misy anao
Dia ohatrany hoe vao omaly isika nisangy sy nilalao
Hoe IANAO = IZAHO dia IZAHO = IANAO

Tsy ny vola amankarena ihany no nitambarantsika
Indraindray koa mba nanadino antsika ny Masoandro mibaliaka
Ka nandihizantsika ny Olana
Tanatin’ny andro manorana
Mandrampiandry ny Diavolana

Fitiavana mahery no mikoriana ao
Vitako tsianjery izay rehetra momba anao
Raha ekenao hoe ENY , izaho mangataka anao
Ka tsy avelako ho irery fa ho tatanako ianao

Ka andao e, andao e
Hoento amin’ny tontolonao oa izaho e
Endao e , Endao e
Izay rehetra manakatsakana anao
Ka andao e, andao e
Hoento amin’ny tontolonao oa izaho e
Endao e , Endao e
Izay rehetra manakatsakana anao

Nampianatra ana ny fotoana
Mba hahay hitia anao
Hanaiky ny hatsarana sy izay fahalemenao
Nitony ilay fo vato e
Dia niantso anao tsy ankiato hoe
Andao mba hiaradalana rahavako e

Hitantarao ny fahazazanao sy ireo nofinao
Sakaizanao aho na hoe faly na malahelo ianao
Indraindray aho mety ho very
Meteza ianao hiteny hoe
Mbola mahatoky anao aho fa

Fitiavana mahery no mikoriana ao
Vitako tsianjery izay rehetra momba anao
Raha ekenao hoe ENY , izaho mangataka anao
Ka tsy avelako ho irery fa ho tatanako ianao

Ka andao e, andao e
Hoento amin’ny tontolonao oa izaho e
Endao e , Endao e
Izay rehetra manakatsakana anao
Ka andao e, andao e
Hoento amin’ny tontolonao oa izaho e
Endao e , Endao e
Izay rehetra manakatsakana anao

Atolotro hoan’ireo mpifankatia rehetra
Ary hoanao
Nampianarinao ahy ny atao hoe fitiavana ny tena hevitry ny hasambarana
Ilay isika rehefa miaraka
Tsy vola amankarena foana
Ririnina mamirifiry
Fahavaratra feno orana
Fiainana feno olana
Fa mbola manantena lohataona
Raha mbola eo foana ianao dia ho eo foana aho
Yeee…

Fitiavana mahery no mikoriana ao
Vitako tsianjery izay rehetra momba anao
Raha ekenao hoe ENY , izaho mangataka anao
Ka tsy avelako ho irery fa ho tatanako ianao

Hoento amin’ny tontolonao oa izaho e????

A/C : Mr Sayda
Arrangement / Mix & Mastering: Aton'ich Miuzik
Distribution : Mellow - Distribution
Realisateur Clip : @Tsilavina Razafindralambo

Hanta Kely????????

#misiemilay2023 #Zarazarao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 1745
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : LurissAdr
Daty : 14/02/2023 06:14
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122