Fitia efa nomeko (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lay famataran'ora iny nikisika ihany
Nanoratra an’ity aho satria niezaka hatrany
Tsy hanery tsy anjara na dia mba faniriana
Ny hitantana anao na anio na any aoriana
Lazainao manofy aho angamba na lasa adala
Raha mba te ho anao ary aho dia iza no handrara
Tsy hoe akory an’olon-kafa ianao fa mba tsy sahala
Ny tao am-pontsika za nety f’ianao voarara

Rano efa an-dohalika
Ny fitia ao anatiko ao
Sady dizidiziny masoandro midanika aho
Dia rehefa manatrika
Ny tsikinao sariaka
Ny foko mandohalika

Fitia efa nomeko iny na nankarary ny aiko iny
Foiko ho anao daholo fa tsy ifanomezan-tsiny
Tsy hoe mila vaniny e
Na miandry valiny e
Fa am-pitiavana be izay no tena marina e
Sao lasa fahalemeko ka mety ho araraotinao
Fahadisoako ary ve raha toa ka mba te ho tianao
Kanefa eto ihany aho
Raha tianao hoento any aho
Fa iny fitiavana iny kosa efa nomeko anao

Aza omena tsiny aho raha toa jamba ny foko
Ny olona mety hiteny eny hoe lety angamba mifoka
Dizidizina anao teny aho nefa tsy mitroka
Ary na kivikivy ary aho tsy maintsy mitraka
Mahay miampita arabe tsy voadonany fiara
Kanefa vao fitiavana aho voadonany tsara
Maradratra eny aho sady be tako-pery
Ato anaty maizina aho mitady ny very

Rano efa an-dohalika
Ny fitia ao anatiko ao
Sady dizidiziny masoandro midanika aho
Dia rehefa manatrika
Ny tsikinao sariaka
Ny foko mandohalika

Fitia efa nomeko iny na nankarary ny aiko iny
Foiko ho anao daholo fa tsy ifanomezan-tsiny
Tsy hoe mila vaniny e
Na miandry valiny e
Fa am-pitiavana be izay no tena marina e
Sao lasa fahalemeko ka mety ho araraotinao
Fahadisoako ary ve raha toa ka mba te ho tianao
Kanefa eto ihany aho
Raha tianao hoento any aho
Fa iny fitiavana iny kosa efa nomeko anao

Auteur/ Compositeur : Mr Sayda
Studio / Arrangement : Sanih on the Beats
Choeur: Aldjina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 1962
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LurissAdr
Daty : 17/08/2023 16:14
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013