Hihira aho (MIKEA (Théo Rakotovao))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hihira aho (3) e e e
Ho anao e (2)

Mahatsiaro ny taloha ireo namana hatrizay
aty an-tany lavitra aho fa tsy any aminay
kanefa manantena fa hifankahita foana e
tsarovy aho f'zao mihira izao
Tsy ho irery any aho (2)

Ireo hava-tiana sy tany niaviana
Mbola tsaroana foana e tsy miala ao an-doha
Ka ny hira sy ireo vazo fanao taloha e
fanao e isan'andro

Hihira aho (3) e e e
Ho anao e (2)

Aty an-tany lavitra aho mitady izay ho anjara e
Miasa mandava-taona e tsy mahita soa
mangina fa irery, soa fa nisy ty gitara e
Mba namana ihira izao hira izao
Tsy ho irery hany aho (2)

Ireo hava-tiana sy tany niaviana
Mbola tsaroana foana e tsy miala ao an-doha
Ireo hira kalokalo fanao taloha
Fanao e isan'andro

Hihira aho (3) e e e
Ho anao e (2)
--------
Rohy:
Hevitra
armel2590 ( 23/02/2016 09:57)
aona ni atao ra te andika anle tononkira iti??? misaotra mialoha
jock ( 24/02/2016 16:45)
Slt! tsy azoko kely le fanontaniana. adika ahoana ? Afaka ataon'ise copie coller @ notepad rh @ ordi, dia afaka mandray penina sy taratasy koa ise.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIKEA (Théo Rakotovao)
Vangy : 6279
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : Jock
Daty : 16/02/2015 08:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745