You are here: home > Tononkira > Mi-DeraH

Nenina (Mi-DeraH)

https://tononkira.serasera.org/hira/mi-derah/nenina

Hatrizay naka mamy ny fiainana an-tany
tsy nisaina akory ny any am-parany any
toa nahafaly ahy ny nitanisa
ireo ratsy natao,
kanjo hay lalana mahavery ahy
nanalavitra Anao

fiverenana: (2x)
Koa ankehitriny Jesosy o! tonga neniko
ireo adalala vitako
ifonako avokoa, tsy misy afeniko
ny enTsiky dia ampyiko, atolotra Anao ny fo

Raha ho tsaraina,
dia tsy hanana anjara intsony aho raha tsy ao Aminao
nefa noho ny fitiavana dia navontanao aho
navelanao ny eloko
honenanao ny foko

Fiverenana (2x)
koa ankehitriny Jesosy o! tonga neniko
ireo adalala vitako
ifonako avokoa, tsy misy afeniko
ny eniko, atolotra Anao ny fo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mi-DeraH
Mpamaky : 283
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : henintsoaRATSIMBA
Tamin'ny : 21/08/2019 21:51:29
ID : 12007

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo