Ny tiako sy ny tianao (ft Lola) (Max Exception)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao nahita anao aho
Toa tsaroako fa hay ianao
Ilay tsy ampy amin’ny fiainako
Ny tianao no ho tiako

Raha nahita anao koa aho
Faly sady natahotra
Sao dia nofy ihany izao
Ny tianao no tiako

Raha ny tiako sy ny tianao
No voninkazo hatao kilalao
Ho mora foana ny hamaky izao
Tontolo izao sy ny fiainana ao

Ireo ankizy rahatrizay
No andry tsara hanamafy indray
Milaza ho azy fa ianao ho anay
Ary izahay ho anao

Hatao tsara sorona
Tsy ho faty ny afom-pitiavana
Toy ny kitay am-patana
Ny tianao no tiako

Raha sendra diso làlana
Mitady hamaky vala aho
Sintony mora hiverina
Ny tianao no tiako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Max Exception
Vangy : 9463
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lanto
Daty : 15/11/2004 04:49
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123