Ataoko akory (Max Exception)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Atoko akory tsy ho tia,
Vao mahita anao zaza iny e!
Tsikitsiky mamono,
Misinto olo no andesinao o!
E! e!

Ataoko akory tsy ho tia,
Vao mahita anao zaza io e!
Feno hatsaram-panahy,
Hiriko ho anakay,ny fitiavanao.
O! o!

Fanomezana tsara-ndRanahary e!
Ny fahitana anao ambonin’ny tany.
Anjarako sisa no mandinika e!
Vao tsy ambara fitia aminao amaray.
E! e!

Ataoko akory tsy ho tia,
Vao mahita anao tsaiky iny e!
Tsikitsiky mamono,
Misinto olo no andesinao o!
E! e!

Ataoko akory tsy ho tia.
Vao mahita anao tsaiky io o!
Feno hatsaram-panahy,
Hiriko ho anakay, ny fitiavanao.
O! o!

Ravoravo sy faly ny aiko jiaby e!
Vao mahita anao mitsiky.
A! tsaiky io o!
Tsy aiko ny hanitriky ny fitiavako anao o!
Satry toetry tsara manitry aminao o!
E! e!

Ataoko akory tsy ho tia.
Vao mahita anao zaza io o!
Tsikitsiky mamono,
Mandrava olo no andesinao.
O! o!
Ataoko akory tsy ho tia,
Vao mahita anao tsaiky io o!
Feno hatsaram-panahy,
Hiriko ho anakay ny fitiavao. O! o!

Ho an’ilay malalakeliko izay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Max Exception
Vangy : 3404
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Manoe
Daty : 03/06/2004 05:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753