Tolo-tanana hoan'ny mahantra (fiaraha-miasa: BUDDHA EL TAGA sy AL KASSIM) (Mamy Saya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fahavaratra ny andro, ranon'orana sy ranomaso no mifangaro any hoany
Ao anaty trano baoritra misy resin'ny fahantrana tsy mety hotazan'ny fahasambarana
Mitady ny hohanina anio, miainga avy amin'ny mpandalo eny amin'ny làlana
Satria mpihetraketraka ny tany
Ny fifalian'ny fony efa nalaina an-keriny
Dia raha hofoana ny adin-tsaina dia tsy maintsy mbola hiverina
Hivahiny ao aminy, handoko mainty ny fahazavana mandram-piala ny fofonainy
Ka ny fasana ihany no sakaizan'ny fo sy ny sainy.
Satria tsy nisy olona iray mba nihantra, ny ory tsy mbola havan'ny manana
Fa hatramin'izao aloha mbola alavitry ny fihavanana
Ka ny asa-soratro androany manainga anao mba hanolotra tànana.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mamy Saya
Vangy : 1887
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : mamisoa.saya
Daty : 24/06/2016 14:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1684