Tolo-tanana hoan'ny mahantra (fiaraha-miasa: BUDDHA EL TAGA sy AL KASSIM) (Mamy Saya)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fahavaratra ny andro, ranon'orana sy ranomaso no mifangaro any hoanyAo anaty trano baoritra misy resin'ny fahantrana tsy mety hotazan'ny fahasambarana
Mitady ny hohanina anio, miainga avy amin'ny mpandalo eny amin'ny làlana
Satria mpihetraketraka ny tany
Ny fifalian'ny fony efa nalaina an-keriny
Dia raha hofoana ny adin-tsaina dia tsy maintsy mbola hiverina
Hivahiny ao aminy, handoko mainty ny fahazavana mandram-piala ny fofonainy
Ka ny fasana ihany no sakaizan'ny fo sy ny sainy.
Satria tsy nisy olona iray mba nihantra, ny ory tsy mbola havan'ny manana
Fa hatramin'izao aloha mbola alavitry ny fihavanana
Ka ny asa-soratro androany manainga anao mba hanolotra tànana.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Mamy SayaVisites : 2011
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : mamisoa.saya
Date : 24/06/2016 14:53