MIOVA NY FITIA (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MIOVA NY FITIA

Noheverinao hitohy tsy hisy hiova
ny fiainanareo roa,
natoky foana teny ianao

Na ireo fihetsika nataony aza,
tsy nahataitra anao,
noheverinao ho fitia

Kanefa ny azy toa tsy izany
F’efa ela no niovany,
fa tsy nasehony anao

Ref: Miova ny fitia
ka aleo hanaraka izay tiany izy
fa aza omenao tsiny izy raha toa tsy tia
Miova ny fitia
Aleo hanaraka izay tiany izy
fa aza omena tsiny izy raha toa tsy tia

Ninoanao hitsiry lohatoana
ho fihoty fararano,
ilay voninkazo teo
Nefa raha fitia tenaina foana
ho vasoky ny andro
hanjary mankaleo

Ref:.....


Noheverianao hitohy tsy hisy hiova
ny fiainanareo roa,
...natoky foana ianao....
--------
Lien:
Commentaires
hery ( 15/01/2020 19:48)
Niova ve ny tonon'ity hira ity sa efa diso mihitsy nandritra izay 18 taona tato anatin'ny tononkira izay? lolll

"Aza omenao tsiny izay tsy tia"
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mage 4
Visites : 8026
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : LETICIA
Date : 05/11/2001 15:11
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736