Ianao no fahazavana (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao no fahazavana

Na tsy hipoitra intsony aza ny andro
Ka ny haizina no hiseho
Ianao no fahazavako
Na sarotra ho ahy aza ny dia
Mino fa tsy ho very aho
Ianao no hitantana ahy
Na tsy ho hitako intsony aza ny andro
Ka ny efitra no ety
Ianao no loharano
Fa ny ota rehetra vitako
Hitondra fahoriana
Ho ahy raha tsy mino aho
Ka raisonao
Ilay fifonanay
Hiovan’ny taloha
Ho fiainam-baovao

Omeo anay ry Ray ( omeo anay )
Ilay Fitiavanao
Mba ho famonjena anay
Raisonao ry Ray!
Sy fiderana anao fa Ianao no Fahazavana

Ny fonay ry Ray mba ovay
Ka hikorina ao anatiny ao
Ilay tara-pahazavana
Ka hovohay aminao ry Ray
Ny varavaran'ny fonay
Hitoeranao, hanjakanao

Ka raisonao
Ilay fifonanay
Hiovan’ny taloha
Ho fiainam-baovao

Omeo anay ry Ray ( omeo anay )
Ilay Fitiavanao
Mba ho famonjena anay
Raisonao ry Ray!
Sy fiderana Anao
Fa Ianao no Fahazavana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mage 4
Vangy : 5685
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Hasimbola
Daty : 29/12/2001 18:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123