Aza Mifanenjika (Mafian'aty)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola mideza no hilalovana fa aza misalovana aza sakanana aho
Matoa miaina an-tany dia mandalo fandalovana izany tsy kilalao
k'ilay toetra ratsy manandevo anao eny hiezao dia hialao
Fa ny manao ny tsara fanilo eny foana izay no ambarako aminao
F'isika olombelona tsisy manan'ny ampy fa sambatra izay mifanampy
Eny mila tohiny isika iray ihany ka mifanampia
Isika olombelo tsisy manan'ny ampy fa sambatra izay mifanampy
Eny mila tohiny isika iray ihany ka mifanampia
Ref:
Nahoana no dia mifanenjika toy izao ry namana
Izaho anie ka mbola lavitra lalana
Tza bahanana ,aza sakanana
Tsy aleo ve miaraka dia ny tsara no hifaninanana
Ianao ve mba mahay fa ilaina ny fahendrena
Ialana ny toetra ratsy sy ny fitiavan-tena
Ianao ve mba maheno, sa mody mihainohaino
Ho tantaraina sy ambaraina ny fankahalana olombelona

Atsaharo amin'izay ilay toetra ratsy sy izay fombaratsinao iny
Tsy aleo ve hoy aho mba mifanampy dia averina indray ny toy ny fahiny
Mba amboary amin'izay ny toe-tsaina f'indray ihany anie ianao no mihaina
Ka andao ho soloina fihavanana amin'izay ry namako f'aza malaina

Isika olombelo samy manana anjarany f'aza mifandrombaka
k'aza maka ny tsy an'ny tenanao , nenao ihany noho izany noho hatsarao
Toetra ratsy io azo ialana ,tarehy ratsy io tsy azo
hovagna
Ka izay misy ampelatananao
Ankasitrao am'Zagnahary eh
Ref:
Nahoana no dia mifanenjika toy izao ry namana
Izaho anie ka mbola lavitra lalana
Tza bahanana ,aza sakanana
Tsy aleo ve miaraka dia ny tsara no hifaninanana
Ref:
Nahoana no dia mifanenjika toy izao ry namana
Izaho anie ka mbola lavitra lalana
Tza bahanana ,aza sakanana
Tsy aleo ve miaraka dia ny tsara no hifaninanana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Mafian'atyVangy : 10
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mafianaty
Daty : 18/05/2026 13:39