Ankamantatra (Mafian'aty)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitiavana madio hatrany no niarahanay
Fa niaraka teny foana, tsisy ny nampiahiahy
Samy tsisy nanampoa, hoe isika hisara-droa
Kanefa ny lalako tsy lalanao

Fa izy hono tena tia ahy
Izaho koa tena tia azy
Kanefa nisaraka teo hoy aho ny lalana
Fa izy hono tena tia ahy
Izaho koa tena tia azy
kanefa ny lalako tsy lalany

ref :
Tsy avy amiko, tena tsy avy amiko
Tsy avy amiko, fa ny antsika tsy anjara
uhhhhm
Tsy avy amiko, tena tsy avy amiko
Fa tsy avy amiko, fa ny antsika no tsy anjara

Isika niaraka, tsy nieritreritra hisaka
Fa hiaraka ho mandrakizay doria
Kanefa taty aoriana, nisampana roa ny lalana
Ianao nian-kavia, izaho kosa nian-kavanana
Ny lahatra no mandahatra, na nisafidy aza isika roa
Hoe hiara-dia ho mandrakizay

Fa izy hono tena tia ahy
Izaho koa tena tia azy
Kanefa izahay roa tsy afa-niaraka na mamy aza
Fa izy hono tena tia ahy
Izaho koa tena tia azy
kanefa moa indrisy, indrisy

ref :(x2)
Tsy avy amiko, tena tsy avy amiko
Fa tsy avy amiko, fa ny antsika no tsy anjara
Fa tsy avy amiko, tena tsy avy amiko
Tsy avy amiko, fa ny antsika no tsy anjara

yeah, veloma ianao eh
uhmm, Fitia tsy anjara tsy atao am-paratsy fihavanana gyal eh, yeah

ref :
Tsy avy amiko, tena tsy avy amiko
Tsy avy amiko, fa ny antsika tsy anjara
uhhhhm
Tsy avy amiko, tena tsy avy amiko
Fa tsy avy amiko, fa ny antsika no tsy anjara
Fa tsy avy amiko, tena tsy avy amiko
Tsy avy amiko, fa ny antsika tsy anjara

uhhmmm tsy avy amiko, fany antsika no tsy anjara, Veloma
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mafian'aty
Vangy : 8
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mafianaty
Daty : 28/05/2026 09:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.031