Miaro olon-tiana (LOIC)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
3. Miaro olon-tianaFosafosanao tsy manjary aminay aty,
Ny raha volaninao isan’andro tsisy tsara,
Aleo ho anay ny fiainanay,
aleo ho anay ny fombanay
Ny ahy ny vadiko no itokiako,
izaho tsy adala izaho miaro ny olon-tiako
Iny olon-tiako iny nohenjehina foana
Lazainao tsy ahoana, manaonao foana
Iny olon-tiako iny raha mba niteny
Tsy nohenoinareo, niavonanao teny
Mahonena mahasorena,
Fa raha ny ianareo no tsy nohajaiko,
novingavingaiko
Angamba hikotaba, hivazavaza
Vehivavy lehibe ve no handeha hampiady
Hita ihany ilay maha jiolahim-bavy
Fosafosanao tsy manjary aminay aty,
Ny raha volaninao isan’andro tsisy tsara,
Aleo ho anay ny fiainanay,
aleo ho anay ny fombanay
Ny ahy ny vadiko no itokiako,
izaho tsy adala izaho miaro ny olon-tiako
Fosafosanao tsy manjary aminay aty,
Ny raha volaninao isan’andro tsisy tsara,
Aleo ho anay ny fiainanay,
aleo ho anay ny fombanay
Ny ahy ny vadiko no itokiako,
izaho tsy adala izaho miaro ny olon-tiako
Malalan’ny foko aza manahy
Fa efa tiako ianao, fa fifaliako ianao
Aza malahelo intsony
Fa efa eto aho, eto aho hampitony
Hataoko mahalala ny anarako ireo
Fa raha ianao no haratsiana, hampaorina
De tena tsy ho zaka, be ny ho voadaka
Lehilahy lehibe ve no dia handoto
Hita ihany ilay maha jiolahim-boto
Fosafosanao tsy manjary aminay aty,
Ny raha volaninao isan’andro tsisy tsara,
Aleo ho anay ny fiainanay,
aleo ho anay ny fombanay
Ny ahy ny vadiko no itokiako,
izaho tsy adala izaho miaro ny olon-tiako
Fosafosanao tsy manjary aminay aty,
Ny raha volaninao isan’andro tsisy tsara,
Aleo ho anay ny fiainanay,
aleo ho anay ny fombanay
Ny ahy ny vadiko no itokiako,
izaho tsy adala izaho miaro ny olon-tiako
Interlude….
Fosafosanao tsy manjary aminay aty,
Ny raha volaninao isan’andro tsisy tsara,
Aleo ho anay ny fiainanay,
aleo ho anay ny fombanay
Ny ahy ny vadiko no itokiako,
izaho tsy adala izaho miaro ny olon-tiako
--------
Rohy: