io ndray ndry (LOIC)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And1
Avy nikandra isika roa,
ifalifaly kely ny ao an-doha,
ngomangoma anao fa te-hilalao,
ka inona ary izany no tokony hatao?

And2
Mitady tsy hazoto ilay malalako ity,
raha fetsifetsy eo dia kaikeriko in-dry!
tsy misy fika fa andao hilalao,
andao hilalao mba hifalifaliana.

Ref:
Io ndray ndry fa mody malaina,
io ndray ndry fa mitsitsitsitsy aina,
io ndray ianao dia hanome tsy foifoy;
zaho tsy manaiky fa mba safosafoy.

Ion ndray ndry fa mody manavy,
isika malala mba mila misangy,
sao dia hoe hanome tsy foifoy,
zao tsy manaiky fa mba safosafoy.

And3
Mitaraina ho vizana ilay kala ity,
hoe:"manaintaina ilay nifin-dry,
manakotsako hoe ny vanin-taolana,
vizana loatra ka mila ho torana".

And4
Mitady tsy hazoto ilay malalako ity,
raha fetsifetsy eo dia kaikeriko in-dry!
tsy misy fika fa andao hilalao,
andao hilalao mba hifalifaliana.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LOIC
Vangy : 609
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : MyYan16
Daty : 07/01/2021 18:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2099