Tsy haiko ny hangina (Levelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy haiko ny hangina, mafy ihany mizaka ny manjö
Fety somambisamby isan’andro ka mahavaky fo
Tsy hita ny ombana, maloka lava raha ny ety
Olon-kafa no nataony ramalala hisolo ny efa tia

Zany no mafy hila hampiantso tody, fosain’ny mpandalo
Any ianao tsara petraka aloha no tena tsy mimamo
Mivilana vao mampifilafila iny tsisy tsy nahita
Manova no mety k’avelao any izay vita

Sola la lala diavolana, ho aiko tsy mamay
Toa fitiavana toa samy maka ho azy no tsara ny anay
Midona amin’ny havanan izy, hivarina ankavia
Raha fitiavana ditra sy manadala tsy laniko ny an-dry
Lamba mifoko manaratara matevina in-telo
Lasa nisitaka tsy mba arahiko alahelo


Ataony mahitahita sy savikan’ ny amboa
Voromanga zakana vorondolo izy, tsy avotra intsony
Angamba eh angamba hiova ny fiainako fahiny
Eritreritra ny hafa iny tsy haiko aloha fa izahay eto vahiny

Izy nisafidy tranonkala ho lavo tsy nazera
Ho very manota tsy handairam-bavaka môpera
Ny ahy ny eritreritro nanadino ny any dia efa izy
Misaotra ny lanitra ampandalovana eglizy an

Mitondra mankaiza anefa ny hiala amin’ny tanàna
Miazakazaka ianao potraka mialoha, he nodiavina malama
Aiza no ahitany aty ka tsy tonga ny manjö
Ny eto somambisamby isan’andro ka mahavaky fo
Kalokalo no nataoko andefimandry tsy hankarary ny an-doha
Ny eto somambisamby isan’andro ka mahavaky fo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Levelo
Hits : 673
Likes : 0 Like
Created by : augustinrakoto
Date : 10/07/2021 19:41
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0785