Fakitera (Levelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tsy hitako nandalo intsony izy e!
Bozaka maina an-davenona ô
Aloka matahotr’andro sisa e
Fa maty any ho any a, lay fakiteranay e!

Dia foana sy nangina tsisy tabataba tetsy ambavahady e!
Mpitsena lasa nody a!
Mpizara taratasy ambony sikileta fakitera maty a!
Mpizara taratasy ambony sikileta fakitera maty a!
Ireo voromanga nanatona niala
F’izy kosa lasa a, any ankoatra paradisa e !
Ambany dongontany varavarambato
Asiana voninkazo a!
Ambany dongontany varavarambato
Asiana voninkazo a!

Fiv: Fakitera nandimby fakitera
Nizara taratasy ihany fa saingy ferapara!
Fakitera nandimby fakitera
Nizara taratasy ihany fa saingy ferapara!

2-Lasa tsy hanao mbay làlana izy e!
Dify tsy hamangy tanàna ôôô
Doroky ny ankason-tany izy e
Tandindona sisa raha toa ka mandalo a!

Fa folaka an-dantony efatra ambin-telo fakiteranay e
Nangina nangina
Nangina tsy niteny fa ambiroa no maty feon’avelo tsisy a! (*2)
Fa tanam-bokovoko vazy tanimanga marika najoro o
Fa nisy fakitera teto a
Sakaizan’ireo tary sy mpifankatia nisara-toerana ela (*2)

Fiv: Nofo moa k’hisy fiafarany e
Hody vovoka ho tany raha tonga ny fotoana
Nofo moa k’hisy fiafarany e
Hody vovoka ho tany raha tonga ny fotoana

3-Lasa tsy hanao mbay lalana izy e
Dify tsy hamangy tanana oh oh
Doroky ny ankason-tany izy e
Tandindona sisa raha toa ka mandalo

Fa folaka an-dantony efatra ambin-telo fakiteranay e
Nangina nangina
Nangina tsy niteny fa ambiroa no maty feon’avelo tsisy a! (*2)
Fa tanam-bokovoko vazy tanimanga marika najoro o
Fa nisy fakitera teto a
Sakaizan’ireo tary sy mpifankatia nisara-toerana ela (*2)

Fiv: Nofo moa k’hisy fiafarany e
Hody vovoka ho tany raha tonga ny fotoana
Nofo moa k’hisy fiafarany e
Hody vovoka ho tany raha tonga ny fotoana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Levelo
Visites : 16595
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 16/02/2006 07:22
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129