Benandro (Levelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
E ry Benandro o
Kibobo voatoraka tsy hankaiza
Vilia tanimanga no malemy e
Ento manaraka anao aho ry Benandro
Fa tsy haditra e, tsy haditra
E mba tiako
Ento ho mpanao lakozia aho ho mpanampy
Ka hahita ny miafina tsara aminao e
Benandro o
Ento manaraka anao aho ry Benandro
Fa tsy haditra , tsy haditra

E ry Benandro o
Ny mihambo tsy tia ho’aho no mahalany ratsy
Fa aleo maka kely dia mangina
Safosafoy takariva aho ry Benandro o
Fa tsy hamaly e, tsy hamaly
E ry Benandro o
Ny mihambo tsy tia ho’aho no mahalany ratsy
Fa aleo maka kely dia mangina
E ry ‘lay tiako
Hifoha amin’ny telo maraina aho letsy
Ka hanao kalokalo amin’ny somambisamby e
Ho antsika
Safosafoy takariva aho ry Benandro
Fa tsy hamaly
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Levelo
Vangy : 3077
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/08/2014 11:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011