Veloma (Lalao Rabeson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Veloma, teny kely iray monja
Manambara fisarahana
Ny ranomaso mila hanonja
Tapitra ny fiarahana

Mahafenofeno fo
Mamolivoly ny ao anaty
Hisaraka tokoa
Ny alahelo tsy ho tanty

Veloma
‘Zay no fara-teny kely
Fara-teny,
Fara-teny ifanaovana

Veloma,
Tsy hifanadino velively
Na ny handao,
Na ny hilaozana

Tsy ho doria,
Tsy ho doria fa mbola hihaona
Eny izay,
Eny izay no faniriana
Mbola hisy,
Mbola hisy lohataona
Hampiaraka any aoriana,
Veloma.

Mpihira : Lalao & Salomon
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalao Rabeson
Vangy : 4349
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Chri
Daty : 23/07/2009 12:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1608