Jereo ny ondrinao (KORAITA (FJKM ANDROVA VAOVAO FAMONJENA - MAHAJANGA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And 1 :
Ny olona jambena Tsy mahalala akory
Ny fitiavanao manenika
An’izao tontolo izao Ray o
Reo satana mibitsika handrotsirotsy
Ka very ny ondry
Tsy mahalala izany mody
Reo zay fo tsy voasarika ho maramara
Ka ny ratsy no mamiratra Ka tsy voarara
Feno fahotana tsy misy hazavana
Vonjeo ry Ray o, Fa potika feno tomany

Fiv :
Soa fa teo Ianao sy
Ny Fanahy Masina
Hitarika anay
Amin’ny lala-marina
Ka ny jamba hahiratra
Ny mpanota hahalala fifonana
Ry Raiko o, jereo ny olonao
Fa aza avela, aza avela
Fa ampodio ao am-bala

And 2 :
Ny olona toa sodoka Amin’ny zava-bitany
Ka mihevitra fa izy no mahefa
Mihoatra Anao Ray o
Ny harena sy ny vola
No heveriny tsy ho lo
Ka ny fifankatiavana
Eny levona tsisy aina intsony
Ny finoana malemy Tsisy faka hihazona
Mihodokodina mitady
Ny hafa ankoatra Anao Ray o
Fitsapana sy fahalemana No fehin’izany
Ka ny tany rehetra
Hanjakan’ilay fitiavantena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KORAITA (FJKM ANDROVA VAOVAO FAMONJENA - MAHAJANGA)
Vangy : 10
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Harijesy
Daty : 20/11/2024 19:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5283