You are here: home > Tononkira > Kelly Rajerison

Mba manantena (Kelly Rajerison)

https://tononkira.serasera.org/hira/kelly-rajerison/mba-manantena

Azafady aminao raha toa ka indraindray
Hitanao lasa lavitra ny saiko
Fa te-hanofinofy aho mantsy
Fa te-hanofy fiainana hafa indray no hisy anao

Azafady aminao raha toa ka nofy ihany
Fa ny hirahirako tsy ho lany
Fa manantena foana aho mantsy
Fa manantena fiainana hafa indray no hisy anao

Ianao izay sasatra mitady
Fandriampahalemana ao an-tsaina
Mihevitra fa raha be ny harena
Ho fahasambarana ny miaina

Fa ny harena tsara indrindra e
Dia ny fitiavanao anao
Fa tononkira.serasera.orgmanantena foana aho mantsy
Fa manantena fiainana hafa indray miaraka aminao

Ny masoko amin’izay dia hiray
Ny lokon’ny zavaboahary
Ianao koa amin’izay dia handre
Ny feon’ireo vorona ao an’ala

Azafady aminao raha toa ka indraindray
Hitanao lasa lavitra ny saiko
Fa te-hanofinofy aho mantsy
Fa te hanofy fiainana hafa indray no misy anao

Azafady aminao raha toa ka nofy ihany
Fa ny hirahirako tsy ho lany
Fa manantena foana aho mantsy
Fa manantena fiainana hafa indray no hisy anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Kelly Rajerison
Mpamaky : 1198
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 29/03/2014 19:02:47
ID : 6500

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo