You are here: home > Tononkira > Kelly Rajerison

Iny làlana iny (Kelly Rajerison)

Raha mandeha amin'iny làlana iny ianao
Misy trano ao aloha kely ao
Izay falehanay tamin'ny taona
Enimpolo tany ho any
Rehefa tonga ny andro
Tsy nianaranay.

Hira sy mozika
Indray no nampiray anay
Efa ela no nilaozanay
Ireo kilalao kely fahizay
Fijery vaovao indray
Izay niainga avy any
Avy any andrefana any.

No nampita
Tamin'ireo tanora eran-tany
Teny telo filamatra
Izay tsotra ihany
Fandriampahalemana, Tsiky dia ampyFitiavana sy Mozika
Dia ho nofinofy ihany
Izany eritreritra izany
Niserana nandalo.

Misy anefa ny fotoana izay mba nifaliana
Misy koa ny fotoana izay anonofiana
Misy anefa indrisy ny itomaniana
Tsy ho afaka amin'izany
Raha mbola eto an-tany.

Raha mandeha amin'iny làlana iny ianao
Misy trano ao aloha kely ao
Izay honenana rahatrizay
Hiala ety an-tany
Rehefa tonga ny andro
Fiantsoana amin'izany.


Tonony sy feony : Kelly Rajerison.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Kelly Rajerison
Mpamaky : 1599
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 02/11/2013 00:16:42
ID : 6404

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo