Ny Fanahy mba hevero (Joseph d'Af)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Gagagaga raha nankany antsena, nandinika ny zava-misy
Ny eto anoloana toa miady hena, ny ato anila mandanja sôsisy
Ny ato avaratra mamatra-bary, ny ato atsimo mividy tsileby
Eo ny miantso aty ny voasary, somaritaka somebiseby

Toa azoko an-tsaina sahady, ny miseho any an-tokantrano
Eo ny ankizy sy izy mivady, tsy misaina fa tsy hanoano
Hena ritra sy ny lasary, mila dobo ary koa mofomamy
Mananasy, akondro, voasary, Ny zava-pisotro tsy lany

Tsara izany kanefa indro kely, ny fanahy ry zareo mba ahoana
Io mantsy tsy zavatra kely, sao mitofezaka sy maty noana
Ny baiboly dia sakafo matsiro, mamelombelona ny ainao
Dia raiso, vakio, fikiro, vitamine iray vaovao

Ry vahoaka izay vory etoana, torohevitra kely izao
Ianao izay sasatra foana, dia ho sambatra amin’izao tany izao
Fa raha tsy I Jesosy irery, no angatahinao izany ety e
Dia ho setriny mitady la vie confort, Kanefa ho tojo la mort.

La la la la la la la la la la la la la la la la la la la la la la la la la la la
Fa raha tsy I Jesosy irery, no angatahinao izany ety e
(Dia ho setriny mitady la vie confort, Kanefa ho tojo la mort.) x2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joseph d'Af
Vangy : 729
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nirinamercia
Daty : 10/06/2020 19:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743