Medley en Duo (Joseph d'Af)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao no ilaiko
Ianao no hirin'ny foko
ianao no ilaiko
Tariho ahita anao. (X2)

Tariho ahi i i...ta anao!
..................
Ouh ooo! ouh ooo!
..................

Ka hirahira no hasandratro
'Zay no ifandraisako amin'ny fo
Ho ren'ny tany aman-danitra
Ianao no Andriamanitra. (X2)

Izaho ho ampakarina
Ianao no mpampakatra
Ho latambatra iray
Rehefa any amin'ny mandrak'izay.

Izay no antony ilazako
Izaho anao, Ianao ho ahy
Satria feno ny tontoloko
Noho ny fitiavanao!!!.......

Tsisy ny tsara mihoatra Anao
Mihazona ahy ny tànanao
Raha lavitra Anao aho dia irery
Ny anilanao no feno hery. (X2)

Feno hery!... feno hery!...
(Feno hery)
Tsisy karah Anao!

Feno hery!... feno hery!...
(Fa feno hery)
Tsisy karah Anao!

Ka tsy nihahotra aho ny hanatona
Nanolotra ny foko ho anao
Dia noraisinao tam-pitiavana ity foko nitalaho
Na tsy mendrika aho dia Novonjenao. (X2)

Na tsy mendrika aho dia Novonjenao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joseph d'Af
Vangy : 1290
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 11/12/2019 13:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1617