Mahatoky (Joseph d'Af)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mety tsy ho azoko ny fitondranao
Tsy voatery fantatro ny fitantananao
Na tsy mahavokatra ohanina aza ny saha
Manana hevitra heveranao ahy.

Soa ihany fa, misy Anao
Soa fa misy Anao, Jesôsy ô!

Ianao, dia ilay tiako
Ianao ilay nofidiko
Ianao manana ny fotoana.
Ianao, no itokiko amin'ny andron'ny fahoriako
'Zaho mbola hatoky foana.

Na mandeha aho na mitoetra,
Ny herinao tsisy fetra no
Mameno ny androko
Mamaly ny antsoko.

Tsy voatery tazako,
'Zay mety hiafarako
Fa ny hany azo antoka
Ianao niandohako.

Soa ihany fa, misy Anao
Soa fa misy Anao, Jesôsy ô!

Ianao, dia ilay tiako
Ianao ilay nofidiko
Ianao manana ny fotoana.
Ianao, no itokiko amin'ny andron'ny fahoriako
'Zaho mbola hatoky foana.

....

*Ianao, dia ilay tiako
Ianao ilay nofidiko
Ianao manana ny fotoana.
Ianao, no itokiko amin'ny andron'ny fahoriako
'Zaho mbola hatoky foana. (X2)

F'izaho tsy manahy! ('Zaho matoky foana)
Ianao mpiady ho ahy ihany! ('Zaho mahatoky foana)
Tsy anan-tahotra aho e! ('Zaho mahatoky foana)
Miampy soa koa amiko e! ('Zaho mahatoky foana)

('Zaho mahatoky foana ...)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joseph d'Af
Vangy : 832
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 08/04/2022 23:17
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3748