Izay mangina (Joseph d'Af)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny mangina ve?, midika fa...Resy an'adin-tsarotra aho, ka tsy sahy
Fa ny famaliana tsy ahy irery, fa an'i Jehovah
Itokiko ny ahy e, mpiady ho ahy.
Na ho atao tsinontsinona
Lazaiko hoe: tsy maninona
Fa na dia voatsindrona.
F'izaho tsy mba hanohitra
Handrehitra fahatezerana
Fa fahendren'ny lanitra.
Ref:
Fa mpandresy aho e!, tsy mba resy aho e!
Fa mangina e!, satria volamena e!
Re ny Tompo anie, re ny Tompo anie
Ireo gina am-po ny zanany.
....
Fahatsaram-panahy, fahatsoram-po
Izay mandefitra ve no atao hoe vendrana.
Fa ny ahy, dia fantatro, fa izy hanomana
Fandresena ho ahy, izay tena enjana.
Na ho atao tsinontsinona
Lazaiko hoe: tsy maninona
Fa na dia voatsindrona.
F'izaho tsy mba hanohitra
Handrehitra fahatezerana
Fa fahendren'ny lanitra.
Ref:
Fa mpandresy aho e!, tsy mba resy aho e!
Fa mangina e!, satria volamena e!
Re ny Tompo anie, re ny Tompo anie
Ireo gina am-po ny zanany.
....
Na ho atao tsinontsinona
Lazaiko hoe: tsy maninona
Fa na dia voatsindrona.
F'izaho tsy mba hanohitra
Handrehitra fahatezerana
Fa fahendren'ny lanitra.
Ref: .... (X2)
Ireo gina am-po ny zanany.(x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Joseph d'AfVangy : 1857
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 30/04/2021 23:33