FITIAVANA VOALOHANY (Joseph d'Af)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fony aho vao nahalala,Nandroso tsy nisalasala
Na aiza na aiza tamin'ireny,
Nitory ombieny ombieny
Ny fiainam-bavaka,
Mbola mitohy ve sa tapaka?
Lay hafanana tamin'iny,
Lasa aiza izy ankehitriny?
Tonga eto aho hitady Anao,
Nandritry ny alina ka hatramin'izao
Hanavaozako ny eny,
Havaoziko ombieny ombieny
Ref: Inty aho Tompo ô!! Inty aho Tompo ô!!
Raiso aho raha Sitrakao,
fa very aho raha lavitra Anao
Hiverina indray, hiverina indray
Ilay hafanana vao mifoha
Ilay FITIAVANA VOALOHANY
Mandeha ny andro sy fotoana,
Ny fiainam-panahy koa manao ahoana?
Sao tratran'ny andro milentika,
Ny antsoantso efa matetika
Ampianaro aho hahay hanisa,
Izay mety ho androko sisa
Sao vao voafafa ny anarana,
Amin'ny andro ny ampakarina
Avelao hijanona eto ihany,
Avelao mba hitomany
Hiantsoantso Anao,
Hino eo an-tongotrao
Ref:Inty aho Tompo ô!! Inty aho Tompo ô!!
Raiso aho raha Sitrakao,
fa very aho raha lavitra Anao
Hiverina indray, hiverina indray
Ilay hafanana vao mifoha
Ilay FITIAVANA VOALOHANY
.......Avelao hijanona eto ihany,........
.................
................
.........................
Ref:
--------
Rohy:
Momba ny hira
Mpihira : Joseph d'AfVangy : 11420
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : deraxchanteur
Daty : 09/04/2018 11:19