Fahasoavanao (Joseph d'Af)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho no iza izao?
Mihoatra ny amin'ny fahalebiazanao
Izaho ilay tsy mendrika anao.

Ny androko sisa izao
Sy izay hiarahako aminao
Dia mbola famindram-ponao.

Ref:
Fa raha izaho no toy izao e!
Dia tsisy avy amiko, fa avy aminao e!

'Zaho ilay tsinontsinona
Ilay tao an-davaky ny liona
Efa natsanganao ho zanakao.

.....

Hiraiko ny fahasoavanao
Dia mbola ny famindram-ponao
Teo koa ny fanontronanao.

Iza no toa anao
Fa tsisy azo hoarina aminao
Miaiky ny fahalebiazanao.

Ref:
Fa raha izaho no toy izao e!
Dia tsisy avy amiko, fa avy aminao e!

'Zaho ilay tsinontsinona
Ilay tao an-davaky ny liona
Efa natsanganao ho zanakao.

Mamohono ahy ny fahasoavanao
Mameno ahy ny fitiavanao
Mameno ahy ny famindraham-ponao
Manaraka ahy ny fanontronanao!

Ref:..... (X2)

Efa natsanganao... ho zanakao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joseph d'Af
Vangy : 4607
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 19/04/2021 17:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0861