Medley (Jeneraly)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izany vehivavy izany,
Nomeko ny hatanorako
Vao tojo azy aho dia avy hatrany
Mihetsiketsika ny hadalako.

Izany vehivavy izany,
Navahako tanatin’ny maro
Fa Nampifaly izy, nampitomany
Ary tena hita fa nahasaro-piaro.

Tsara tarehy, matoa nambabo ahy
Tsara tarehy, no tsara fanahy
Tsy hitanareo, nefa tsy aiza fa
Eo anilako eo
Mibanjina ahy, mandray ny tanako
Manoroka ahy, miantso ny anarako
Tsy renareo, izaho anefa toa mandre ilay feo, Telo!
....
Na i Pelagie, na i Mamitiana
Dia samy vehivavy, tena mahavariana
Eny samy kanto , eny samy soa
Ny momba azy ireo, voatantara avokoa.
Fa i Dongadonga zanak’Ingahy Rafatra
Sady ngozabe izy, no sady koa be tratra
Tsisy tarehy, tsy volony fa taviny
Izy ngozabe, fa kozatra ny vadiny.

F’ireo olona voalazako ireo
Dia inoako fa tsy fantatrareo
Fa izaho mahalala azy tsara
Marin’izany, matoa aho mitantara.
....
Azafady ry Dada malala fa miantso ny zanakao
Tsy fantatro ianao na mihaino na tsy mihaino ahy ianao
Iza moa no hampita ny teniko, aminao any ampasana any
Fa ny olon-drehetra nafarako, tsisy hita fa tany dia tany
Tsy nisy niverina intsony fa dia resin-tory sy renoka
Manadino ny tsiron’ny tany ve rehefa nisitaka
Te hiverina nefa tsy afaka,
Mihidy rahateo moa ny fasana
Kalokalo ary sisa no azoko atao
Mba hitafatafako isan’andro aminao

Dada malala ô ô ô
Mampamangy amin’ny rehetra any
Tsy hoe sanatria re miadaladala
Fa ny reviko reviko ihany.
....
Ny toaka re, mazàna
Tena fandrika malama
Mahatonga fahotana
Ota be tsy hay tononina.

Ny toaka re, indrisy
Ny soa vitany tsy nisy
Fa vao maika koa mampisy
Olana eo amin’ny fiaraha-monina.

Maro be ireo mafy ady
(Mbola misotro ihany, misotro ihany!)
Na efa hivarina any an-kady aza
(Mbola misotro ô! ôôh!)
Tsy mety fa efa tena miankin-doha
Ka ny maraina vao mifoha
Mangovingovitra.
....
Andro voalohany, nahitako an’i Jesôsy,
Tery amin’ny tobin’ny taxibrosy tetsy Vasakôsy.
Avy any Mahitsy angamba izy izay
Na Ambohidratrimo,
Ny fiara nitondra Azy nirimorimo,
Tonga nitsena azy daholo ireo mpino.

Ny fiara nitondra Azy nirimorimo!
Tonga nitsena Azy daholo ireo mpino.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jeneraly
Vangy : 85
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 08/06/2025 23:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0782