Isika roa (Jeneraly)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isika roa mpifankatia eny hatry ny ela
Tsy niaraka intsony saingy nisy ny tavela
Ireo taona maro niarahana hatrizay eny akia
Dia tsara angamba raha hiverenana indray

Tsy hiverenana iainana anefa
Tsy hay antsoina intsony izay efa nilefa
Ireo tantarantsika kosa tsy hay kosehina satria
Isika roa no ratsy fa tsy ny fitia

Ianao dia sarobidy loatra teo amin’ny fiainako
Fa tia ahy sy tena tiako koa
Mamy tena mamy nefa niova ho mafaitra
Toy ireo lopotra ratsy zaitra

Ny antsika roa aloha dia tokatrano imaso
Tsy hay tanterahina fa betsaka ny andraso
Soa ihany koa tsy nisy izay misaotra anao ry Ray
Fa asa angamba izay mety ho fahorianay

Ianao dia notolorako fitia tena fitia
Ngozabe ohatran’ny lohan-dry
Tsy fantatro na mbola any ihany izy io malala ô!
Izay no tena mila hahalasa adala ô!

Ankehitriny anefa tsapako mazava
Matoa izaho sy ianao no toa miady lava
Tsy misy hafanana intsony ilay fitia fa efa matimaty
Izany angamba no fitia lany daty

Ny lasantsika kosa mbola hataoko hira
Tononkira mamy tsy manirasira
Rehefa vita izany dia omeko ny tonony ianao
Kanefa aoka tsy ho hitan’izay ho vadinao

Na tsy natao hiaraka aza moa isika roa
Efa niaraka ela ihany koa
Raha misy tiana haverina irony tsindridrina
Hataontsika am-pifalina ô!

Am-pifaliana indray no hamaranantsika
Ilay tantarantsika mivady ho vita
Raha tsy manaiky intsony ianao
Ataoko ahoana akia malala ô!
’Ndeha mahazo any f’izaho koa tsy te-hahalala
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jeneraly
Vangy : 13255
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rakotoarimanana Jean Luc dera
Daty : 25/03/2003 09:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718