Isika roa (Jeneraly)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isika roa mpifankatia eny hatry ny ela
Tsy miaraka intsony saingy misy tavela
Reo taona maro niarahana hatr'izay eny akia
Ho tsara angamba raha hiverenana indray

Tsy hiverenana iainana anefa
Tsy hay intsony izay efa nilefa
F'ireo tantarantsika kosa tsy hay kosehina satria
Isika roa no ratsy fa tsy ny fitia

Ianao dia sarobidy loatra teo amin'ny fiainako
Fa tia ahy sy tena tiako koa
Mamy tena mamy nefa niova ho mafaitra
Toa ireo lopoitra ratsy zaitra

Ny antsika roa aloha dia tokatrano maso
Tsy hay tanterahana fa betsaka ny andraso
Soa ihany koa tsy nisy izany misaotra anao ry Ray
Fa asa angamba izay ho fahorianay

Ianao dia notolorako fitia tena fitia
Ngôzabe ohatran'ny lohan-dry
Tsy fantatro na mbola any ihany izy io malala ô
Izay no tena mila hahalasa adala ô

Ankehitriny izay vô fantatro mazava
Matoa izaho sy ianao toa miady lava
Tsy misy hafanana intsony ilay fitia fa efa matimaty
Izany angamba no fitia lany vatsy

Ny lasantsika kosa mbola ho ataoko hira
Tonon-kira mamy tsy maniratsira
Rehefa vita izany dia homeko ny tonony ianao
Kanefa aoka tsy ho hitan'izay ho vadinao

Na tsy natao hiaraka aza moa isika roa
Efa niaraka ela ihany koa
Raha misy tiana averina irony tsindriandriana
Dia ataontsika am-pifaliana

Am-pifaliana indray no hamaranantsika
Ity tantarantsika madiva ho vita
Raha tsy manaiky intsony ianao ataoko ahoana aky malala ô
Ndeha mahazo any izaho koa tsy te-ahalala
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jeneraly
Vangy : 7893
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : BigZ
Daty : 20/07/2009 20:51
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0341