Ilay nofy hafahafa (Jeneraly)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andro voalohany, nahitako an’i Jesosy
Tery amin’ny tobin’ny taxibrosy tetsy Vasakosy
Avy any Mahitsy angamba izy izay
Na Ambohidratrimo
Ny fiara nitondra azy nirimorimo
Tonga nitsena azy daholo ny mpino

Feno hiaka ny arabe
Samy te ahita sy te handre
Dia ilay Mpivahiny
’Zay nateraky ny Virjiny
Ilay rangahy naniry izay
Fotsy hoditra toa anay
Fa ny volombavany hôa no mba nahagaga ahy
Tsy mba toa tahaka ny ahy
Fa lavalava be

Dia nandohalika daholo ireo mpitsena
Ny sasany kosa amin’izany toa mihenahena
Fa nisy nanontany mantsy hoe:
Iza ty bandy ty?
Fa nisy namaly hoe izy no Kristy
Ilay zanaky Josefa sy Maria

Io no tompo lehibe,
Io no hitondra antsika handeha,
Hiakatra any ambony be any
Fa hodorany hono ny tany
Ny sasany kosa hijanona eto ihany
Fa tsy hiakatra any ambony be any
Ka iza ary no hijanona ary iza kosa no handeha
Hiakatra ambony be
Tsy aleo ve ra-Hery be
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jeneraly
Vangy : 5813
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : baoby
Daty : 19/11/2006 22:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2158