Françoise (Jeneraly)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eo anatrehan’ny tany sy ny lanitra
no iantsoako anao hoe avia,
Eo anatrehan’Andriamanitra
no anolorako ny foko efa tia

Françoise a, ilazao i dada sy mama
fa ho avy any aho rahampitso maraina,
Ambarao azy fa izaho mbola tsy mikarama
satria tovolahy somary malaindaina
Vonona aho anefa ny hangataka anao,
hampakatra anao ho vadiko tokoa,
Raha ny vodiondry aloha lazaiko dieny izao
mety tsy ho hisy ka ho soloiko vodiakoho

Eo anatrehan’ireo fokonolona,
Ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana,
Eo anatrehan’ireo zokiolona,
no mbola iantsoako anao hoe malala

Françoise a, ilazao ny filoham-pokontany
sy ireo vaomieran’ny fanambadiana,
Hanatanterahantsika izany faniriana izany,
fa oneran-tsika ihany any aoriana.
Fa ny anay fanambadiana no aloha,
fa raha ny asa hita eo ihany avy eo,
Tsy sanatria manao, manao kitoatoa,
fa oneranay e, ny volanareo.

Eo anatrehan’ny filoham-pirenena,
sy izay rehetra ao amin’ny manda tehezana,
Mbola eo anatrehan’ilay boky mena ange,
no angalako anao ho taola-tehezana

Françoise a, zava-dehibe anie izany,
tsy sanatria somonga na kilalao,
tsy ireo rehetra ireo no hanatrika avy hatrany
sy hanatanteraka izao fikasantsika izao,
Ho tretrika tokoa isika ry kala Françoise,
raha tanteraka izay voalaza teo,
Amin’ny asabotsy ho avy izao ny mariazy,
hasainay daholo e, ianareo rehetra ireo.

Fikafikafikafika ihany,
aiza no dia hisy an’zany
Revin’gadra hono no feo an-dohan’io any
tsy miditra amin’izany ny filoham-pokontany

Françoise a, aoka ihany aloha akia,
tsy ho avy any indray aho rahampitso maraina,
Aza miteniteny amin’ny dada sy maman-dry,
sao bedy eo ianao zay vao mangaina,
Aleo aloha ho toy izao ihany ny antsika,
hiandry ny rariny zay tsy fantatra na ho avy,
Raha tsy anjara moa ny fiarahantsika dia hoy aho hoe samia mitoto mba hatavy (X2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jeneraly
Vangy : 4219
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : visiteur
Daty : 15/01/2015 09:20
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158