Canapé (Jeneraly)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indray alina asa na marinaFa natory teo ambony canapé
Izaho sy ianao
Toa tsy tsaroako izany
Asa na nofy ihany
Na mety ihany koa
Sondriana tokoa
Izaho sy ianao
Ny maraina indray
Alahady tamin'izay
Toa tsy teo ambony canapé
Izaho sy ianao
Fa teo ambany
Nanao ladina an-tany
Tsy fantatra intsony
Hoe taiza ny natory
Izaho sy ianao
Fa ny tolak'andro akia
Tsaroako ihany satria
Niara-nikalo teny Andohalo
Izaho sy ianao
Aveo dia nanintsy
Ho eny Analamahitsy
Satria eny koa no misy antsika roa
Dia izaho sy ianao
Ny alin' iny indray
Tamin'ny folo izy izay
Tetsy amin'ny hazo be ravina
Indray izaho sy ianao
Dia nifanoroka
Dia nisy nitoraka fa misy tsy tia
Hoe mpifankatia izaho sy ianao
Fa ny ampitso indray tsaroako
Ilay fitia toa niova loko
Fa tsy toa ny omaly
Fa nifamaly izaho sy ianao
Fa nisy lehilahy iray
Sakaizanao taloha izay
Novandravandrahany
Sady nompainy izaho sy ianao
Tezitra aho dia lasa
Nitady olon-kafa
Tsy tiako intsony hoe
Miara-matory izaho sy ianao
Ka vehivavy hafa indray
No niaraka tamiko tamin'izay
Dia lasa izahay nandeha
Nitady canapé izaho sy malala
--------
Rohy: